Manoloana ny faharitran'ireo renirano izay mahatonga fihenan'ny vokatra vatsiana
eto Antananarivo sy ny manodidina, antony isian'ny fikorontanana na fahatapahana mihitsy eo amin'ny famatsian-drano dia manamafy ny fepetra vonjimaika hahafahana manohy ny famatsian-drano ny Mponina ny Orinasa Jirama sy ny Ministeran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, hoy ny Jirama ny faran’ny herinandro teo, izay nilaza fa miasa andro aman’alina ny kamio citernes mamatsy ireo faritra mena. Iny no nolazaina tamin’ny resaka rano. Misy fikorontanana ny famatsiana herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo ary tapaka tanteraka mihitsy izany tamin'ny 8 Ora alina teo noho ny tsy fahatomombanan'ny tambazotra mitondra herinaratra mahery vaika avy any Mandraka, ka nampikatso ireo vata mpanova herinaratra (Transformateurs) roa lehibe mamadika izany herinaratra izany ao Ambohimanambola. Vokatry ny oram-be eo anelanelan'Ambohimanambola sy Mandraka no mahatonga izany tsy fahatomombanana izany. Ka rehefa tonitony ny andro dia miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana, hoy kosa ny fanazavana momba ny herinartra. Ritra ny renirano ho an’ny famatsian-drano, orambe kosa ho an’ny fahatapahan-jiro,… Manodidina ny 300 hatramin’ny 500 mliara Ar na mihoatra aza isan-taona ny fanohanana na « subvention » omena ny Jirama avy amin’ny volam-panjakana. Tsy mahavaha olana anefa, io ve tsy efa nahavitana « centre d'épuration » roa na maromaro, ohatra hoe : eny Ivato na Andranotapahana na Mamamba, mitovy amin’i Mandroseza hamatsiana iny tapany andrefana iny. Raha 350 miliara Ar isan-taona eo amin’ny 80 tapitrisa dolara eo, 150 hatramin’ny 300 tapitria dolara eo ny manamboatra « central hydroélectrique » iray aty Afrika. Eo amin’ny 4 taona eo ny fanatanteraha azy. Raha nanomboka tany ho any amin’ny 2010 izany mety efa nilamindamina isika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.