Actualités

Jiolahy raindahiny Voatifitra ihany koa i Gobline


  • Zoma 25 Aprily 2014

Sarona tsikelikely ireo jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-basy tao Antsirabe. Taorian’i Liva banga dia maty voatifitra ihany koa i Gobline.

 Taorian’ny fanafihana nataony ka nahatrarana ny namany telo lahy dia nanaovana "avis de recherche" sy fampahafantarana tamin’ny haino aman-jery mba hitolo-batana ity jiolahy ity. Ny alarobia 23 aprily, tokony ho tamin'ny valo ora alina dia nahazo vaovao ny polisim-pirenena fa tonga ao an-tranony eny atsinanan'Ivohitra ity jiolahy karohina ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy hisambotra azy. Saika hanohitra ary namoaka ny basy tany aminy i Gobline vonona hitifitra, saingy ny an’ireo mpitandro filaminana no tonga aloha ka ny lohany no voan’ny bala ary maty teo no ho eo. Mbola tratra teny aminy rahateo ilay basy P.A fampiasany niaraka tamin’ny bala roa 9mm tsy mbola nipoaka. Rakotomalala Olivier no tena anarany ary tena jiolahy raindahiny, mpitarika ny fanafihana mitam-basy maro nifanesy tao Antsirabe izy raha ny nambaran'ny polisy ihany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT