Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena i Liva Banga, anisan’ireo jiolahy raindahiny tamin’ny asa fanafihana nitranga tao Antsirabe tato ho ato. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny 9 ora maraina no saika nisamborana azy ity teny amin’ny manodidina ny Fokontany Tsivatrinikamo. Nanohitra i Liva Banga ary namoaka basy ka saika hitifitra ireo polisy tonga hisambotra azy saingy ny an’ireto farany no tonga aloha. Voatifitra teo amin’ny tratrany i Liva Banga ka nitolefika. Nentina namonjy hopitaly fa tsy tana ny ainy. Basy vita gasy iray miaraka amin’ny bala miisa roa no tratra teny aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.