Raha tsy misy indray ny fiovana dia amin’ny 16 martsa izao no hotontosaina eto amin’ny firenena ny fifidianana solombavambahoaka.
Ho an’ny Jeunes Cadres Arema dia fahefana fenon’ny filohan’ny FAT izay miantsoroka ny adidy aman’andraikitry ny filoham-pirenena no miantso ny vahoaka hifidy ny solontenany hiasa eny amin’ny Antenimieram-pirenena manoloana ny fahabangan’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Ankoatra izay dia nambaran-dRakotondrazanany Josoa fa voahaja koa ny fiantsoana ny mpifidy 90 andro mialoha satria ny 14 desambra 2010 lasa teo no nivoaka ny didim-panjakana mamaritra azy.
Mametraka koa anefa ny tenany etsy andaniny fa fanitsakitsahana ny lalam-pifidianana ny fitazonana ny datin’ny 16 martsa satria mbola ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka izany. “Tokony hahemotra na akisaka amin’ny vanimpotoana main-tany io andro io ka ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no tompon-kevitra sy fahefana amin’izany”, hoy hatrany Rakotondrazanany Josoa. Nandroso soso-kevitra hanatsarana ny fanomanana sy ny fizotry ny fifidianana koa ireto tanora Arema ireto ka nanambara fa tokony ho ny olom-pirenena tsirairay miainga avy eny anivon’ny Fokontany no mandrafitra ny lisitry ny mpifidy fa tsy avela hosahanin’ny CENI na koa ny ministeran’ny Atitany samirery. Amin’izy ireo koa dia miankina amin’ny fahavitrihan’ny vahoaka mandeha mifidy no hahazoana ny fankatoavan’ny mpiray firenena sy ny firaisambe iraisam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.