Nanomana adihevitra sy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny antsoina hoe «ny tontolon’ny fandraharahana» ireo tanora lahy sy vavy mivondrona eo anivon’ny JCI, Jeune Chambre International, tao Toamasina.
Nampiasa «visio-conférence», teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, izay niarahany niasa tamin’ny orinasa Orange, nahafahana nifandray mivantana sady nifanatri-maso na teo aza ny elanelan-tany, tamin’ireo tanora JCI namany avy eto Antananarivo, nandritra ity adihevitra sy fifanakalozana ity. Nanasa vahiny manokana izy ireo tamin’izany, nizara ny traikefany sy ny niainany ny antsoina hoe «mpandraharaha eto Madagasikara» ka vahiny manokana tamin’izany Rtoa Baovola Rajaonarison izay tale jeneraly lefitry ny vondrona «Vidy Varotra» eto Madagasikara. Nidirana avokoa ny «teknikan’ny fandraharahana», «ny fomba fiady ao anatiny», «ny tetikady sy teti-panorina hahatongavana ho tena mpandraharaha matihanina» ary fizarana traikefa niainan’ny vahiny indrindra amin’izao fotoanan’ny krizy izao.
Fa nahaliana ireo tanora ny momba ny gazety «Tia Tanindrazana», vokatra iray ao anatin’ny vondrona «Vidy Varotra» noho ny zava-misy eo amin’ny sehatra politika Malagasy ka nilazan’ny vahiny fa «ny tanora tsy manan-kevitra dia tsy afa-mandroso mihitsy, anisan’ny singa iray ilaina amin’ny fandraharahana ny fahasahiana mamoaka hevitra sy sahy milaza ny marina». Nambaran’ny JCI izay mpanomana ity hetsika natokana ho an’ny tanora te hiditra amin’ny fandraharahana ity, fa ny tanjona tamin’izao hetsika izao dia «ny haha lohany hatrany ny tanora malagasy eo amin’ny fihariana sy fandraharahana, ary hihevitra dieny izao fa lalan-tsarotra mila finiavana sy fitiavana ary ezaka manokana avy amin’ny tena ny fidirana ho tena mpandraharaha matihanina». Ho an’ny JCI araka ny nambaran’izy ireo hatrany dia «ny hahatonga ny tanora Malagasy ho tena mandray andraikitra marina amin’ny hoaviny, ary ny fikambanana dia fomba iray hitondrana ny tanora ho tena antoky ny fampandrosoana marina ary mitondra fanovana mihorim-paka tanteraka».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.