Actualités

Jean Ravelonarivo Hatao lavanty ny fananany


  • Zoma 07 Septambra 2018

Hatao lavanty ny fananan’Atoa Jean Ravelonarivo mivady, kandida ho filoham-pirenena, araka ny fampahafantarana mivoaka an-gazety omaly teto an-drenivohitra.

 

 

Hotanterahina eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antsiranana ilay lavanty ny 12 septambra izao, ary hatao ampahibemaso. Fifanolanana eo amin’ny orinasa « Entreprise JJ » sy « Shelter Afrique » izay samy misehatra amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa no antony, raha atao indray mijery. Ananan’io orinasa io trosa ity orinasan’Atoa Jean Ravelonarivo mivady ity ary nandeha fitsarana mihitsy ny raharaha, ka ho tohin’ny fitakian-trosa sy ho fitanana ny fananan-tany tamin’ny 8 mey 2018 no antony. Trano lehibe na “villa » miisa 4 no hatao lavanty ampahibemaso hanefana trosa sy ho lasan’izay misondrotra ambony indrindra. Tany sy trano eo amboniny any Antafiamalama, kaominina Ambanivohitra Antanamitarana, Distrikan’Antsiranana II. Maninona no ao anatin’izao fotoam-pifidianana izao no miseho ny raharaha ? Misy kapa ranjo avy amin’ny mpifanandrina politika ve sa antony hafa mihitsy ? Raha ny resaka mandeha dia mbola misy ny dosie hafa mahakasika an’ity kandida ity ka andrasana izay hiseho.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT