Actualités

Ivontoerana famongorana valala eto Madagasikara Maro ny dingana tsy maintsy arahina


  • Zoma 22 Jona 2018

Omaly no notanterahina tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy ny famelabelarana momba ny valala. Fanetriben’ny firenena ny valala satria mamotika voly ana hektara maro.

 Ao ny valala tompon-tany na valala vao izay manjaka sy mirongatra any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara. Tsiahivina fa amin’ny alina no manidina sy mifindra toerana ny valala ary amin’ny antoandro izy ireo no mandeha andiany. Rehefa izay dia mamotika ny vary sy ny katsaka izy ireo ary manatody sy tsy mifidy arapaka. Amin’izany anefa dia misy dingana maro ny fanafongorana ny valala. Ao ny fanairana sy ny fitiliana izay handrefesana ny rotsak’orana sy ny toe-tany ka aorian’izany no anaovana ny fandarofana. Raha latsaky ny 10ha ny faritra rakotra valala dia ireo vondron’olona any ihany no mamono ireo valala ireo araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Raha mihoatra izay kosa dia ny IFVM no manatanteraka ny famonoana valala. Olana ny tsy fahampian’ny fitaovana tahaka ny fanafody, ny fitaovana fandarofana valala ary ny fiara enti-manodina ireo atao ho sakafom-biby.

Tsiry

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT