Manaiky ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitondram-panjakana. Mijanona ho tantara izany sisa ny paikady saika hizarana ho enina an’Antananarivo Renivohitra, raha tsy hoe hanova
lalàmpanorenana mihitsy indray angamba. Na ny olon-tsotra tsy dia manaraka isan’andro ny vaovao politika aza dia nahatakatra fa sinema fotsiny iny fanapahan-kevitry ny HCC iny, fa nisy teny midina tao hoe aleo adaboka ilay resaka fa tsy hahazoantsika tombontsoa. Mazava mantsy fa kajy politika no tao ambadik’ilay fizarana ny renivohitra. Mety nahatsapa anefa ny antoko eo amin’ny fitondrana fa na mizara firy io na mizara firy dia tsy hahatafiditra kandida eto izy ireo. Manampy izany dia vao miha nampitombo ny fahasosoran’ny olona monina eto Antananarivo amin’ny fitondrana iny paikady hafahafa iny. Voaporofo indray izany fa andrana no ataon’ireo milaza azy fa mpitondra lanim-bahoaka eto. Tsy mba misy mihitsy ny fandinihana lalina ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra raisina fa dia hanaovana mokon-doha fotsiny. Izao lasa mampiahiahy hatramin’ny fahatanterahan’ny fifidianana amin’ny 17 jolay. Mibaribary ihany koa izao fa matahotra mafy ny mety ho voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra ny fitondram-panjakana koa dia io manaotao foana io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.