Actualités

Inona no mitranga ? May volon-tratra ny Frantsay


  • Alarobia 16 Febroary 2011


Manao rodobe ny OIF (Vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay hanampy amin’ny fikarakarana fifidianana, mandalo ny avy amin’ny COI (Vaomieran’ny ranomasimbe indianina) hanome tanana tamin’ny famahana ny krizy, sesilany ny fiavin’ireo fikambanam-paritra any Frantsa, toy ny misy ankehitriny isian’ny iraky ny Région île de France, manamafy fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy mijanona eo fa re koa izao fa ho avy eto ny ministry ny fiaraha-miasa frantsay, Henri de Raincourt, amin’ny zoma izao, hanetsiketsika ny tetikasa vatsian’ny masoivoho frantsay momba ny fampandrosoana na AFD vola.

Ankoatra io dia ho avy eto manomboka anio alina koa ny filoha kaomoriana Ahmed Abdallah Mohamed Sambi sy ny delegasiona tarihiny. Hijanona eto hatramin’ny alatsinainy izy ireo. Fitsidihana ofisialy moa no nambara fa hataony amin’izany. Ho an’ny FAT dia midika ho fankatoavana ny fitondrany io dia io. Tany mpikambana ao amin’ny COI i Kaomoro. Anatin’ny manapitra fotoam-piasana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka azy ingahy Sambi, ka karazana fialantsasatra ihany ny azy izao.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT