Tsy diso anjara tamin’ny fanampiana avy amin’ny fikambana Inner Wheel International ireo ankizy tezaina ao amin’ny tobin’ny zaza nania ao Amborovy nandritran’ny fandalovan’ireo delegasion’ny fikambanana nanao fihaonambe iraisam-pirenena tao Mahajanga tamin’ity herinandro ity.
Fanampiana toy ny latabatra, seza, fahitalavitra, kiraro, lamba ary fitafy no natolotry ny fikambanana ho an’ny toby Anjarisoa itaizana ireo ankizy nania, izay miisa roa ambin’ny folo izy ireo amin’izao fotoana izao. Maro ny hetsika ataon’ny fikambanana ao Mahajanga mandritra fandalovan’ny delegasiona avy any ivelany izao ary hisy koa ny famindrana samboady ho an’ny governora vaovao hitondra ny fikambanana ao anatin’ny herintaona ka i Mahajanga nosafidiana hanatanterahana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.