Sambany no nandray fihaonambe iraisam-pirenen’ny fikambanana Inner Whell Distrika faha-920 Oseana Indiana i Mahajanga.
Andiany faha-21 tamin’ity indray mitoraka ity. Zanak’i Boeny rahateo no nipoiran’ny governora am-perinasan’ity fikambanana ity ka izay no antony, sady mifanojo amin’ny faha-10 taona nijoroan’ny fikambanana tao Mahajanga izay misy mpikambana 15 mirahavavy. Tonga nanome voninahitra io fotoan-dehibe io ny filohan’ny Inner Whell International Gabriella Amdamie izay avy any Italia sy ireo mpikambana avy any La Réunion. Nisy ny fanokanana ny takelabato fahatsiarovana izao fihaonambe ao Mahajanga izao. Ny sehatry ny sosialy no tena mibahana amin’ny fandaharanasan’ny Inner Wheel International ary saika isam-bolana dia misy hatrany ny fanampiana ataon’izy ireo amin’ny sehatra maro toy ny akany fitazaina zaza mania sy ny hopitalin’ny zaza sy ny reny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.