Mivoatra haingana dia haingana ny tontolon’ny serasera sy ny fifandraisan-davitra ary miezaka ny manaraka izay ny eto amintsika hatramin’ny nidiran’ny “fibre optique” izay nanokatra sehatr’asa vaovao maro.
Lasa filana andavanandro ho an’ny ankamaroan’ny olon-tsotra raha tsy azo ihodivirana ho an’ny orinasa ny vokatra informatika sy ny teknolojia vaovao ankehitriny. Manana vina hamolavola tanora mahafolaka tsara ireo sehatra voalaza ireo ny “IT University” etsy Andoharanofotsy izay nanomboka ny taom-pianarana 2010-2011 omaly. Fiofanana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena rahateo no tarigetrany. Mpampianatra manana mari-pahaizana “masters” sy doctorat” no sady efa nitana anjara andraikitra ambony momba ny tontolon’ny fifandraisan-davitra teto amin’ny firenena rahateo no nantsoin’ity sekoly ambony ity hizara ny traikefany amin’ireo mpianatra.
Ny rafi-pampianarana LMD no ampiharin’ny “IT University” izay manome lanja bebe kokoa ny fampiharana sy ny fiofanana arak’asa. Ny 3%-n’ny fotoana ianarana ihany mantsy no atokana amin’ny fampianarana mahazatra antsoina hoe “cours magistraux” raha ny fanazavan’i Olivier Robinson, rektoran’ity sekoly ambony ity. Amin’izao fiandohany izao dia hatreo amin’ny maripahaizana “licence” aloha no fiofanana omen’ny sekoly. 60 kosa ny isan’ireo ankizy mandrafitra ny andiany voalohany. Manana ny diplaoma Bac siantifika sy teknolojika avokoa izy ireo izay nosafidiana tao anatin’ny maro satria ny taranja matematika no fototra iankinan’ny fampianarana. Hifandimby mandritra ny taom-pianarana ny fiofanana an-tsekoly sy ny fianarana asa eny anivon’ny orinasa.
Maro tamin’ireo mpitantana orinasa goavana eo amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra rahateo no nanome voninahitra ny fanokafana ny IT University omaly raha tsy hilaza afa tsy ny tale jeneralin’ny Telma, ny avy amin’ny Orange, ny Goticom. Mitsinjo manokana ireo mpianatra any amin’ny faritra atsimondrano ny IT University satria izy no sekoly ambony voalohany amin’iny faritra iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.