Actualités

« Imprimé » kara-panondro tsy misy Tsy ampy vola ny fanjakana


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Miteraka resa-be eny anivon’ny fiarahamonina tato ho ato ny tsy fisian’ny “imprimé” eny anivon’ny kaominina maro samihafa hanamboarana ny kara-panondrom-pirenena.

 
Ho an’ny kaominina Bemasoandro Itaosy manokana dia efa roa volana latsaka izao no tsy nisian’izany intsony, hoy ny Ben’ny tanàna Rakotomandimby Jean Martial. Voatery averin’izy ireo avokoa ireo tanora feno 18 taona hanamboatra kara-panondro tonga manatona azy. Toraka izany koa ireo very na hanolo, indrindra fa ho an’ireo mihoatra ny folo taona.  Raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny minisiteran’ny atitany dia vokatry ny tsy fahatongavan’ny vola avy amin’ny fitondram-panjakana hanamboarana io “imprimé” io no tsy mampisy azy ankehitriny. Ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola no mandray izany mivantana  ary alefany  avy hatrany any amin’ny tranompirintim-pirenena izay mpanonta azy ireny fa tsy misy mandalo eo anivon’ny minisiteran’ny atitany intsony na dia ireto farany aza no mangataka. Tsy mbola tonga anefa hatreto io vola avy amin’ny fitondram-panjakana io ka tsy afaka manonta ny tranompirintim-pirenena. Raha tsiahivina, efa-bolana sisa dia hiatrika fifidianana filoham-pirenena isika eto Madagasikara izay tsy maintsy ilana kara-panondro.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT