Nahazo rano fisotro madio ny mponina ao amin’ny Fokontany Imerimanjaka, kaominina Ambohijanaka. Ny faran’ny herinandro teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa ahitana paompin-drano roa lehibe
. Ankoatra izay dia lalana mirefy 1 km sy 500 koa no vita rarivato tanteraka ao amin’ity kaominina ity. Miainga eo amin’ny biraon’ny kaominina izany ka hatrany amin’ny fokontany Ankadivola, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ratsimbazafy Alain. Toraka izany koa ny jiro manazava ny tanàna. Na izany aza anefa dia mbola eo am-pitadiavana mpamatsy vola amin’ny fanamboarana ireo lalana simba vokatry ny rotsak’orana izy ireo amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 3 km eo ho eo izy io hahafahan’ny mponina mifamezivezy sy mifanakalo vokatra. Tsara ny manamarika fa tsy nanadino ireo traboina sy kere eto amin’ny firenena ny kaominina Ambohijanaka ny Sabotsy lasa teo.
Pati
Legende : Alain Ratsimbazafy, Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.