Tanora 65 mianadahy, Inspecteurs du trésor 29 andiany faha-6, Comptables du trésor 36 andiany faha-3 avy amina faritra maro eto amin’ny Nosy no navoaka ofisialy teny amin'ny IMATEP (Ivontoerana Malagasy momba ny Teti-pivoarana) tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Efa ho 30 taona izao no nijoroan’ity sekoly ambony ity, hoy ny tale jeneralin'ny "Imatep" sady mpampiofana, Atoa Andriamananjara Rajaona, ka tsy mbola miova ny tanjona kendreny hatramin’izay dia ny hanana olona ampy traikefa amin’ny fitantanam-bolam-panjakana eto amin’ny firenena. Fifaliana ho an’ny fianakaviamben’ny tahirim-bolam-panjakana ny mandray anareo, hoy kosa ny tale jeneralin’ny fitantanam-bola malagasy, Atoa Orlando Robimanana. Tsy maintsy hobanjinina, hoy izy, ny fitantanana madio araka ny teny filamatra hoe : "ny vola tsara kajy mahatsara fihavanana". Anisan’ireo nisongadina tamin’ny fahazoana loka sy mari-pahaizana Atoa Mamy Ny Aina Andriamamonjy (IT-6), Thérèse Nasandratra Raboanarison, mention bien, Herimampionona Talbot, assez bien sy Rtoa Onjanantenaina Rajoharivezo (CpT-3), Ando Tiana Rafamantanantsoa, mention bien.
Ntsoavina Evariste
SARY : Teny amin’ny IMATEP ny faran’ny herinandro teo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.