Actualités

Ilakaka Jeneraly mitango vola amin’ny mpividy vato


  • Zoma 23 Mey 2014

Niaka-pofona sady gaga ireo mpandraharaha vahiny teratany srilankey sy pakistaney ary thailandey . . .

 mpividy vato safira ao Ilakaka, ny herinandro teo, satria nisy lehilahy iray mitonona ho manamboninahitra jeneraly nitango vola tamin’ izy ireo. Raha ny fanazavana dia nanao be fiavy sy nanindry bokotra ity jeneraly ity ary namory sy nisava ny taratasin’ireo teratany vahiny. Avy eo naka vola 800.000 Ariary isan’olona tamin’ireo teratany vahiny miisa 23 navoriny. Rehefa tsy manome ireto farany, dia norahonany horoahina.

Mpisandoka sa misy maniraka ?

Rehefa natao ny fanadihadiana momba io jeneraly io dia nilaza ny manampahefana any an-toerana, fa tsy mahafantatra azy, hoy ny Depioten’Ihosy, Razafimandimby Germain Boniface (Ralava). Noho izany, tsy fantatra mazava io jeneraly io na mpisandoka na misy maniraka. Talohan’izao, mbola tao Ilakaka hatrany, polisy roa nanasoketa mpizahatany teratany espaniola telolahy ho nitondra rongony mahery vaika, ka nilana vaniny ireto teratany vahiny ireto rehefa tsy nahitana na inona na inona. Ao raha !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT