Miato vonjimaika ny fanondranan’i Madagasikara omby any ivelany taorian’ny teny nataon’ny Praiminisitra Omer Beriziky raha tafaverina avy any Esira, nijery ny fizotry ny “opération Remenabila” ny tenany.
Nanamafy an’io ny minisitry ny fiompiana, Ihanta Randriamandrato. Didim-pitondrana noraisin’ny ministera, hoy ity farany, no nandraisana fanapahan-kevitra namahana vonjimaika ny fanondranantsika omby tany ivelany ka tokony ho tahaka izany ihany koa no fandrarana azy indray. Tsy ny ministeran’ny fiompiana irery anefa, hoy ny minisitry Ihanta, no tompomarika amin’izany fa iraisan’ny ministera hafa toy ny ministeran’ny raharaham-bahiny, ny varotra, ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Nambaran’ny minisitra Ihanta Randriamandrato fa tsy vao izao fa efa tamin’ny governemanta teo aloha ny fanapahan-kevitra hanondrana omby, navoaka tamin’ny 20 jona 2011 ary nosoniavin’ny minisitra isany Rafatrolaza Bary Emmanuel (fiompiana), Rakotoarisoa Florent (Atitany), Razafimandimby Irène Eva (Varotra) ary ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien (Fiarovam-pirenena).
Novoizina mafy dia mafy anefa tao ho ao, hoy izy, fa ny fanondranana omby atao amin’izao fotoana izao no mahabetsaka sy mampirongatra ny halatra omby ary voatonontonona ao anatin’ny hoe mpanao afera ny tenako sy ny vadiko (Ralitera Andrianandraina). Hanao izany aho ve, hoy ny minisitra Ihanta Randriamandrato, dia ny vadiko no hajabako ao fa tsy hifandray amin’ny tena goavana mahay ny raharaha aho ? Ny fototry ny olana, dia ny tsy fisian’ny politika nasionalin’ny fiompiana omby eto amintsika. Tokony himasoana io, hoy izy, fa misy zavatra halamina ao ary raha io no tafapetraka dia mety hisy fihatsarany ity sehatra ity. Ny mpiompy Malagasy dia tsy mivarotra omby, hoy Rtoa minisitra, tsy mirona amin’ny “économie de marché” izany.
Ny tsy fantatsika koa dia tsy mba tafiditra amin’ny “fléaux national” toy ny amin’ny resaka valala, ohatra, ny mikasika ny omby nefa dia any no misy ny vola tokony hikarakarana azy bebe kokoa. Fa amiko, hoy izy namarana ny teniny, ny halatra omby dia efa nisy hatrany amin’ny taona 1892 ka vazaha nantsoina hoe Liothé no nangalatra omby voalohany teto. Fa hatramin’ny ankehitriny dia misy ny fanondranana omby an-tsokokosoko mifanindran-dalana amin’ny fanondranana ara-dalàna eto amintsika. Manampy izany koa ny varotra anatiny tsy dia mazava loatra, toy ny fisian’ny rainizavona. Anisan’ny fototry ny halatra omby avokoa ireny fa tsy hoe ny fanondranana atao ankehitriny ihany no fositra.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.