Zanakazo maherin’ny telopolo karazana no arantin’ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana, tantanana teratany roandey, IGITI Montifeno any Tolangaro tao Tanambao nandritra ny efatra andro nanomboka ny alarobia 30 aprily teo ary hifarana anio sabotsy 3 mey. Tanjona ny ahafantaran’ny olona ireo zanakazo ilaina hanarenana ny tontolo iainana efa miha simba. Saika efa potika avokoa ny ala any an-toerana vokatry ny doro ala sy ny fikapana hazo atao saribao sy kitay ary ny tavy izay mbola mahazatra ny mponina any an-toerana. Mahaliana ny mponina ny hetsika ary resy lahatra ny maro fa hamboly zanakazo. Na izany aza mbola ilaina ny fanentanana ny Fokonolona amin’ny fambolena zanakazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.