Actualités

Iaban’i Pata «Avoahy ireo zanakay 39 lahy MD»


  • Alarobia 02 Febroary 2011

Tsy faly ireo zanaky ny «Grand Sud-Est» monina ao Toamasina noho ilay raharaha posy ny 17 janoary. 39 mirahalahy ireo MD tamin’ny 41 voasambotra, ka 05 tsy ampy taona, ny 02 naratra mafy nafahana. Nisy ny resaka nifanaon’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’i Georges na Iaban’i Pata, filohan’ny fikambanana tanora Grand Sud-Est mikasika iny raharaha iny.

Tia Tanindrazana (TT) : Manan-kambara momba ireo olona voatana am-ponja ireo ve ianao ?

Iaban’i Pata : Vao voasambotra ireo zanakay ireo ny 17 janoary teo, dia tonga nanara-dia azy ireo teny amin’ny zandary nanao ny fanadihadiana ny tenako. Hatreo aloha tsy fantatra mazava ny anton’ny fisamborana, fa nandritra ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo no nametrahana fa hoe fikomiana sy fanakorontanana ary faniratsirana no hanenjehana azy ireo. Ny tena loza aza dia ny filazana fa saika handroba sy hamono ary mikasa ny hanala ny PDS teo amin’ny toerany ireo tanora ireo tamin’ny hetsika fitakiana zo mazava nataony.

 

T.T : Tsy fantatrareo angaha fa heloka henjehin’ny lalàna izany ?

Iaban’i Pata : Tsy mpandroba izahay ! Fanasoketana sy fanaratsiana ny zanakay Tatsimo-Atsinanana noho izahay mivantana raha miteny izany. Mbola averiko ihany fa tanora tsy nikasa hanao na inona na inona ireo. Noho ny fampiasana basy nanapariahana ireo olona nitangorona no nampisaritaka ny olona maro. Izany fisaritahana izany no niheverana anay ho olon-dratsy. Marina fa nisy ny zavatra simba, ny bazary tamin’ny kodiarana nirehitra fa tsy midika izany fa ireo tanora ireo no nahavita izany. Amiko dia tokony hohamafisina ny fanadihadiana.

 

T.T : Any am-ponja ireo tanora ireo izao miandry fitsarana, inona ary izao no andraikitrareo amin’izy ireo ?

Iaban’i Pata : Ao Ambalatavoahangy tokoa izy ireo. Efa nanao fivoriana matetika nandinika ny momba azy ireo izahay, nefa moa nisy namadika fa handrava ny fonja indray ny fivorianay izay tena nahagaga tokoa. Aminay fikambanana tanora Grand Sud-Est aloha, dia manome fe-potoana herinandro ny fanjakana izahay hamoahana ireo zanakay ireo, fa efa tsy rariny mihitsy, na ny fanaterana sakafo azy ireo aza efa manahirana noho ny familafilana sy antsojay atao aminay.

 

TT : Nangataka fahafahana vonjimaika ho azy ireo ve ianareo, ary raha tsy mivaly ny fangatahanareo amin’ny herinandro inona no hitranga ?

Iaban’i Pata : Tsy afaka nanao izany izahay, ny anaran’ireo zanakay ireo aza tsy mety azonay avokoa ny momba azy. Ny fitsarana tsy mandray, ny PDS nahatonga ny olana izay mpitory manilika tsy te hiresaka aminay Sud-Est. Toy ny valala voatango izahay ankehitriny ka izao manome fetr’andro herinandro hamoahana azy ireo izao. Miankina amin’izay tenin’ireo Ampanjakanay sy ny tenin’ny mpikambana ny aorian’izay. Ambarako anefa tsy olona tia ady ny Grand Sud-Est, fihavanana no ambony aminay matoa mila ravinahitra aty an-tany lavitry ny tany niaviana aty. Ny anay tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana, ka aza mba atosi-bohon-tanana izahay raha manatona hiresaka sy hanolotra soso-kevitra.

 
Nangonin-dRakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT