Efa-bolana mahery kely taorian’ilay fiparitahana sary mamoafady mahakasika mivantana solombavambahoaka vehivavy HVM dia nipoitra indray ny horonantsary hafa,
mahakasika manampahefana ambony mbola olon’ny antoko HVM ihany saingy lehilahy kosa tamin’ity indray mitoraka ity. Raha ny fahitana azy dia naka sary ny tenany milalao ny filahiany ary miezaka ny manome fahafinaretana ny tenany ity manampahefana ity.Tsy hoe nisy nitsikilo izy na tratry ny fakan-tsary miafina (camera caché) fa izy mihitsy no maka ny sary sady manamboatra tsara ny paoziny, izany hoe fantany tsara ny zavatra ataony. Tompon’andraikitra manana ny maha izy azy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ity olom-boatendry iray ity izay mety manana ny fiainany manokana sy ny fomba fanaony, saingy mampieritreritra sy mampatahotra ihany ny fihetsika tahaka izao ho ana olona manana adidy aman’andraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Malaza fa maromaro mpanao fihetsika hafahafa sy mamoafady tahaka izao ireo mpitondra antsika amin’izao fotoana. Diso mijery internet sy horonantsary mamoafady loatra ve dia mba miezaka ny ho mpilalao sarimihetsika sa manana olana manokana sa efa tsy salama saina ka midegany araka ny fomba fiteny ary mahavita zavatra tena mifanohitra tanteraka amin’ny kolontsaina sy ny fahendrena Malagasy ? Taona maromaro izay dia efa nisy olom-boafidy Amerikanina tratra namoaka sary tsy misy akanjo ambony nampiseho ny bikany sy ny hozany ary tonga dia voatery nametra-pialana avy hatrany. Ny eto Madagasikara anefa na hita mazava izao aza ny horonantsary dia mbola arovana ihany fa hoe fiainany manokana, hono. Matoa anefa tafapetraka amina toerana ambony eto amin’ny firenena na olom-boafidy io na olom-boatendry dia hiasa ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana no sary tadiavin’ny olona aminy fa tsy hilalao taovam-pananahana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.