Actualités

Horonan-tsary FPVM Mitombo isa ireo midoboka am-ponja


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Mivoatra hatrany ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ilay horonan-tsary mamoafady tao amin’ny fiangonana FPVM.

Rehefa fantatra ny amin’ireo olona izay nanatontosa izany dia fantatra fa mitodika any amin’ny fisamborana ireo mpivarotra indray ny fanenjehana. Raha ny fantatra ary izao dia efa tafakatra ho dimy ny isan’ireo olona izay nosamborina ka natolotra ny fitsarana ary nampidirina etsy amin’ny fonjan’Antanimora rehefa voarohirohy fa nanaparitaka ilay horonan-tsary tamin’ny alalan’ny fivarotana an-tsokosoko azy. Raha tsiahivina dia nanaitra ny sain’ny governemanta ity horonan-tsary mamoafady tao amin’ny FPVM ity ka nahatonga ny Jeneraly Camille Vital hanome baiko ny mpitandro ny filaminana mba hanafaingana ny fanadihadiana. Tsy ela taorian’izay dia efa nisesy ny fisamborana ary haingana ihany koa dia efa natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Nisy ny niditra am-ponja taorian’izay ary nisy koa ny nahazo fahafahana vonjimaika.

Fa ny tena nanaitra tamin’ity raharaha ity dia ny fomba niarovan’ireo olona izay voarohirohy tena ka nilazany fa tena mamoafady toa ireny mihitsy ny fanalana devoly eo anivon’ity fiangonana ity. Herinandro taorian’izay dia nanao fanambarana ny FPVM fa nisy fitoriana vaovao napetraka indray. Io indray dia mahakasika ny mpanaparitaka ilay horonan-tsary. Raha ny fijery azy dia ny GTT no tena tiana nofandrihana tamin’ity fitoriana ity, saingy tsy hita izay antony hitazomana azy hatreto, hany ka lasa tany amin’ny mpivarotra indray ny fisamborana. Horonan-tsary toy ny rehetra iny ary malalaka ny famoahana azy amin’ny tranonkala. Raha tsy nisy iny famoahan’ny GTT azy tamin’ny Internet iny aza dia tsy fantatra na koa nodian-tsy hita fotsiny ny fisian’iny horonan-tsary mamoafady iny... 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT