Nihanahazo vahana ny horohorontany hatramin’ny fiandohan’ny taona, tranga tsy dia mahazatra loatra. Nahatratra 272 ny isany tato anatin’ny 5 volana, izany hoe janoary hatramin’ny volana mey.
Fantatra ihany koa fa mbola hitohy hatrany io horohorontany io ka any amin’ny faritra avaratra sy Atsimo no tena ho lasibatra. Ho an’ny faritra avaratra dia voakasika ny faritra Boeny, Sofia ary Melaky noho ny antony tsy fantatra. Tokony hiasa mafy ireo mpiasa eo anivon’ny IOGA eny Ambohidempona hahafahana manara-maso azy. Olana anefa ny tsy fisian’ny herinaratra ao amin’izy ireo, hoy ny profesora Rakotoniaina Solofoarisoa, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity sampandraharaha iray ity, omaly. Efa ho valo volana no notapahin’ny JIRAMA ny herinaratra ao noho ny tsy fahaloavana ny faktiora, hany ka voatery mampiasa milina mpanaparitaka herinaratra izy ireo. Fiandrasan-draharaha “Service minimum” ihany no ataon’izy ireo raha tokony hiasa 24 ora amin’ny 24 ora ity sampandraharaha iray ity. Miandry ny vaovao avy any amin’ny observatoire any ivelany, araka izany, ny IOGA vao mahazo vaovao ara-potoana. Miezaka ireo manampahaizana eto amintsika manadihady ny antony mampahazo vahana ny horohorontany matetika eto izay saika ao amin’ny lakandranon’i Mozambika hatrany no misy ny foibeny. Eo am-piandrasana ny valiny ny rehetra ankoatra ny fahafahantarana fa anisan’ny mahatonga ny horohorontany ihany koa ny fipoahan’ny volkano. Efa mampanao fanazaran-tena momba ny fiatrehana ny horohorontany ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ankehitriny. Nisy nahatratra hatrany amin’ny 7 richter mantsy ny mari-drefy ambony indrindra nitranga teto amintsika raha 5,9 no farany ambany. Ny 20 mey lasa teo no nisy horohorontany farany teto Madagasikara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.