Actualités

Hopitaly sy kianja manara-penitra Roa volana aty aoriana, mijanona ho doka


  • Zoma 14 Janoary 2011

«Hanamboarana hopitaly tena manara-penitra i Toamasina. Eo an-tokotany nisy ny orinasan-dry zalahy no hanorenantsika azy… Afaka herinandro monja dia hanomboka ny asa amin’ny fametrahantsika ny vato fehizoro».

Ampahan-teny nambaran’i Andry Rajoelina filohan’ny FAT, nandritra ny fandalovany tao Toamasina ny 11 novambra 2010, telo andro nialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka izany. Raha ny marina izany, dia ny 18 novambra na farafaharatsiny ny 20 novambra, no napetraka ilay ambara fa vato fehizoro ho fanombohan’ny asa. Ny zava-misy anefa dia roa volana aty aoriana, tsy mbola tonga ihany ilay herinandro. Ireo sary mirenty goavam-be sy toerana ngazana no mbola hitan’ny mponin’i Toamasina amin’ireo toerana samy hafa ireo, dia ny Stadium Mangarano nolazaina fa hanaovana ilay kianja sy ny tokotanin’ny Magro (fananan’ny filoha Marc Ravalomanana) ao Morafeno hananganana ilay hopitaly.

Vokany, mandeha ny feo fa «kabary sy sary be natao hitadiavam-bato tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka fotsiny ireny». Ao koa ireo nanambara fa «efa hain’ny olona ny asa vita sy kabary ambony vavahady. Nanamarina izany ny 40%-n’ny taham-pifidianana teto Toamasina, na lany tamin’ny 70% aza ny Eny nandritra iny fitsapan-kevi-bahoaka iny». Ankoatra izay, tsy mbola fantatra ihany koa hatramin’izao ny toerana tena hanorenana ilay «Cité Fitiavana», trano amidy mora, ho an’ny tanora manambady ho an’i Toamasina. Fantatra mantsy fa ilay toerana ao Ambohijafy avaratra misy ny kianja «Lemalady», dia manana olana araka lalàna, noho ilay tokotany anisan’ireo kianja filalaovan’ny ekipa maro ao Toamasina. Ilay tany ao Barikadimy sy ao Salazamay kosa sarotra ny haka azy noho ireo vahoaka maro mipetraka eo amboniny. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT