Actualités

Hopitaly manara-penitra Tanin-dRavalo no hananganana azy


  • Alakamisy 20 Janoary 2011

Eny Andohatapenaka, route digue, ho an’Antananarivo, ao amin’ny avenue Pasteur (Tanambao) ho an’Antsiranana ary ao Morafeno ho an’i Toamasina, raha tsy hiteny afa tsy ireo no toerana nofinidin’i Andry Rajoelina hanorenana hopitaly manara-penitra nampanantenany isaky ny renivohi-paritany.

Tanin’ny Tiko, orinasan’i Marc Ravalomanana, avokoa ireo ary ananany taratasy mazava araka ny fantatra avy amin’ireo mpitantana ny Tiko. Ity toerana etsy amin’ny digue, anelanelan’ny “silo” sy ny labatoara, ity dia fananan’ny Tiko madiodio, hoy ny fanazavana hatrany. Saika hananganana labatoara manara-penitra teo, ary ireo olona nanorim-ponenana tao dia efa nanorenana trano ary nafindra ao amin’ny Cité-n’i Dada eo amin’ny tany nototofana eo Andohatapenaka ihany, izay saika hananganana orinasa mpanao sakafom-biby, fiaraha-miasan’ny fanjakana Malagasy sy ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (FAO). Ny ao Morafeno indray dia nisy tranombarotra Magro, saingy voaroba tamin’ny 27 janoary 2009 avy eo nisy nandoro.

Saika hanorenana Magro ihany koa ny tao Antsiranana saingy dia efa ireny moa no zava-nitranga. Maro ny tany malalaka azo nanorenana hopitaly, fa nisafidy ny tanin-dRavalomanana ny FAT hanatanterahana azy. Maro ny azo andikana izany. Tsy misy maharatsy ny fananganana toeram-pitsaboana kosa aloha, fanasoavana ny Malagasy izany, ary eto aza dia ny FAT mihitsy no manaporofo fa i Marc Ravalomanana no afaka manao sy azo anatanterahana izany ny taniny. Misy tany malalaka hafa eo Andohatapenaka, izay nambara tamin’ireny 26 janoary 2009 ireny, fa an’ny Kaominina, fa tsy nampiasaina. Misy tany koa eny Ambodirano Anosipatrana, efa nataon’ny Kaominina fanariam-pako tamin’ny 2008, fa tsy natao izany. Misy toerana koa eny Anosizato, fa tanim-bazaha angamba dia tsy kitihina. Misy toerana malalaka nisy Magro koa eny Ankorondrano fa ity tanin-dRavalomanana etsy amin’ny “digue” ity no nalain’ny FAT.

Anio no hatao ny fametrahana ny vatofehizoron’ny asa, izay haharitra enim-bolana eo. Io no faharoa taorian’i Toliara. Mazava amin’izao fa am-bava avokoa ny hoe : fitiavan-tanindrazana fa tsy misy mahafoy ny fananany ho an’ity firenena ity izany ireo mpitondra ireo. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia miharihary amin’izao koa fa tsy mitsahatra ny barofo atao amin’ny fananan’ny filoha Ravalomanana. Ary ao anatin’ny vanim-potoana ikatsahana indrindra ny fitoniana sy ifandinihan’ny ankolafy politika hahafahana mamaritra izay sori-dalana hivoahana amin’izao krizy efa nitarozaka roa taona izao, anefa no mitranga izany rehetra izany, koa asa ihany izy ity !

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT