Actualités

Hopitaly manara-penitra ao Mahajanga Hiasa ho an’ireo Nosin’ny ranomasimbe indianina


  • Zoma 25 Aprily 2014

Hisongadina ny Hopitaly manara-penitra ao Mahajanga satria handray ny Ivontoerana ambony fampiofanana sy fikarohana momba ny fitsaboana ny vavony sy ati-kibo ho an’ireo Nosin’ny ranomasimbe indiana, hoy ny Lehiben’ny Faritra Boeny, tamin’ny fanokafana ireo roa andro siantifika voalohany iraisam-pirenena teto amin’ny Faritra ny 22 sy 23 Aprily 2014 tao amin’ny Les Roches Rouges Mahajanga.

 Enina monja manerana an’i Madagasikara ny mpitsabo manokana momba ny vavony sy ati-kibo. Dimy eto Antananarivo avokoa, ary ny Profesora Eugène Morel, irery no ao Mahajanga izay mpampianatra mpitsabo ao amin’ny CHU Androva. Tetikasa novolavolain’ny Pr Eugène Morel miaraka amin’ny Faritra Boeny sy ny Oniversite ary ny Hopitaly manara-penitra Mahajanga ny hanangana io Ivontoerana ambony io izay hanomana mpikaroka mpiofana hahazo ny mari-pahazaina “Master II en Hépato-Gastro-entérologie” aorian’ny efa-taona. Manao tantsoroka ihany koa ny Oniversite Sherbrooke any Canada, izay nosoloin’ny Profesora Gérard Schmutz tena nandritra ireo roa andro siantifika.

“Misy ny fitaovana manara-penitra manerana ireo hopitaly vaovao fa ny olona manampahaizana hampiasa azy ho fanasoavana ny vahoaka no tsy ampy”

Fanomanana ny fifaninanana ny 13 oktobra 2014, handraisana ireo mpiofana, fandrafetana ny antontan-taratasin’ny arofenitry ny fikarohana hatolotra ny 16 aprily 2015 ary fanomanana ny fihaonamben’ireo mpamatsy vola ny fikarohana momba ny fitsaboana ny vavony sy ati-kibo ny 17 aprily 2015 no votoatin’ireo roa andro siantifika. Ankoatra ireo tompon’antoka dia nandray anjara tao ireo Profesora mpitsabo solontenan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, Toliara sy Mahajanga ary ny mpianatra sy Profesoran’ny CHU Androva Mahajanga, ny avy amin’ny Institut Pasteur eto Madagasikara. Misy ny fitaovana manara-penitra manerana ireo hopitaly vaovao, hoy i Pr Morel fa ny olona manampahaizana hampiasa azy ho fanasoavana ny vahoaka no tsy ampy. Miandrandra fiaraha-miasa amin’ny Praiminisitra vaovao izay mikasa indrindra hanangana toeram-pitsaboana vonjimaika izy. Ny aretim-bavony sy ati-kibo no mpahazo matetika sy mamono aty amin’ny tany sahirana toa antsika, hoy izy kanefa tsy misy mpandalina izany hatramin’izao fa toa vitavita ho azy eny fotsiny. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT