«Afaka ‘herinandro’ dia hapetratsika ao an-tokotanin-dry zalahy ny vatofehizoron’ny hopitaly manara-penitra ho an’ny vahoaka malagasy».
Izay no nambaran’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT tao Toamasina nandritra ny fitetezam-paritra nataony, sady fampielezan-kevitry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny 13 novambra 2010 teo amin’ny araben’ny fahaleovantena. Hatramin’izao anefa «tsy nety tonga ilay herinandro» na efa ho herinandro 13 aza no nodiavina sy efa lasa. Raha ny vaovao farany fantatra indray anefa, dia mety ny sabotsy 12 febroary ho avy izao no «ho tonga ilay herinandro nomen’ny filohan’ny FAT» hametrahana ilay vatofehizoron’ny hopitaly. Mandritra izay koa no hanokafana ilay sary ben’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina izay miato koa ny asa hatramin’izao, efa mananiky ny iray volana sy 10 andro izao. Ny vita koa aza efa mitete sy mampihomehy ny mpandalo.
Hohararaotina amin’izay koa ny fampielezan-kevitra manaraka amin’ny fitokanana ny tsena namboarin’ny tetikasa Ambatovy ao Manangareza, tsena izay hametrahana ireo mpivarotra tsy maintsy nalana teo amin’ny tsena taloha sy teo amoron-dalana, noho ny fitaterana ireo fitaovana nataon’ny tetikasa Ambatovy nandritra ny fanorenana ny orinasa ao Tanandava Tsararivotra, ary noho ny fampiasany ny lalana izay hivezivezeny amin’ireo asa atao sy ny fitaterana ny mpiasany. Efa vita tanteraka ny trano ankehitriny, ka miandry fitokanana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.