Actualités

Hopitaly HJRA Ampefiloha Enina ny maty nandritra ny fetin’ny Paska nandalo tao aminy


  • Alarobia 23 Aprily 2014

Nahatratra enina be izao ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fetin’ny Paska lasa teo nandalo tetsy amin’ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha.

 Ny iray tamin’ireo ilay Ramatoa efa namoy ny ainy noho ny antony tsy fantatra nentin’ny Fokonolona avy eny Fenoarivo. Ny sasany kosa vokatry ny fianjerana tamin’ilay “manège” teny amin’ny By-pass Imerimanjaka, loza niseho ny Alatsinain’ny paska folakandro lasa teo. Ankoatra ireo dia olona 350 isa ihany koa no tonga nitady fitsaboana tao amin’ity hopitaly ity ny alahady sy ny alatsinainy. Ho an’ireo 125 isa tonga nanatona ny sampandraharahan’ny fahamaizana na ny “Urgence” dia vokatry ny loza tao an-trano sy ny lozam-pifamoivoizana no nahavoa azy ireo.

Ny 27 tamin’ireto farany no voatery nomena fitsaboana manokana raha afaka nivoaka kosa ny sasany. 13 tamin’ireo no lasibatry ny lozam-pifamoivoizana. Ankoatra ireo voalaza ireo moa dia nisy koa ireo lasibatry ny sakafo misy poizina. 38 isa ireo tonga nanatona ny sampandraharaha misahana izany ka ny telo tamin’ireo dia namono tena. Na izany aza anefa nambaran’ny teo anivon’ity hopitaly ity fa mbola mety hitombo io salan’isa io satria mbola misy amin’ireo olona tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo matetika no mijanona manao dokotera tenany any an-tranony ka tsy manatona raha tsy tena efa reraka na tsy mahita vahaolana intsony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT