Anisan’ireo hopitaly nivoatra ary manana ny maha izy azy ny Hopitaly Atsimo Antsirabe. Taorian’ny nahazoan’ity farany ny fitaovana marobe raitra sy avo lenta dia tapa-kevitra ny hanao varavarana misokatra izy ireo ho fampahafantarana ny besinimaro ny zava misy ao amin’izao fotoana.
Nambaran’i Dr Rajary Francoeur Albert, lehiben’ity toeram-pitsaboana ity amin’izao fotoana fa hisokatra ho an’ny daholobe ny hopitaly amin’ny sabotsy 24 mey ho avy izao mba hotsidihin’ny rehetra satria amin’izao fotoana dia efa misy ao ny “Scanner”, ny “Radiographie”, ny “Fibroscopie”, ny “Electro-Cardiographie”, izay efa am-perinasa avokoa amin’izao fotoana. Nambaran’izy ireo fa raha ny ilany atsimon’i Madagasikara dia Antsirabe no manana fitaovana arifomba, indrindra ny CHRR ka tsy misy tokony handehanan’ny olona intsony aty Antananarivo satria ny sarany dia tsy misy valaka amin’ny any ary ny manampahaizana manokana mitazona ny fitaovana sy ny fitsaboana dia efa misy ao Antsirabe. Efa tamin’ny taon-dasa moa no nipetrahan’ity Scanner ity tao Antsirabe saingy noho ny olana tamin’ny herinaratra izay tsy nahazaka azy dia tsy azo nampiasaina izany raha tsy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.