Actualités

Hopitaly Androva Mahajanga Viraviraina ny volan’ny marary


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Hatairana ny an’ny mpiasa ao amin’ny hopitaly Androva ao Mahajanga raha nahalala fa misy hatramin’ny telo tapitrisa ariary ifampizaran’ireo mpitantana ao amin’ity hopitaly ity amin’ny resaka «indemnité».

Ny 1 350 000 ariary amin’io vola io isam-bolana dia ny talen’ny hopitaly no mahazo azy, ny 1 700 000 ariary kosa dia ifampizaran’ireo ekipa mpitantana ao anatin’ny taona. Mpiasam-panjakana raikitra, mandray vola isam-bolana, ary mpampianatry ny oniversite ny ankamaroany, ireto mbola mahazo «indemnités» ireto. Ny tena mampalahelo ny mpiasa ao dia ny nahalalan’izy ireo fa alaina amin’ny volan’ny hopitaly, izany hoe avy amin’ireo vola azo tamin’ny fitsaboana ireo vola ireo.

Nomarihin’ireo mpiasa moa fa tsy mbola nisy hatramin’izay naha hopitaly ity ao Androva ity ny tranga tahaka izao, ary dia fanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-bahoaka mihitsy no nandraisan’izy ireo izany. Na ny trano, na ny fitaovana entina mitsabo marary anefa tsizarizary ao an-toerana, kanefa dia tsy mampaninona azy ireo ny mampiasa ampahany avy amin’ny saram-pitsaboan’ny marary ho “indemnités”.

Misy porofo ara-taratasy mihitsy izao tranga izao araka ny fitarainan’ireo mpiasa any Mahajanga ary ny Talen’ny hopitaly, Pr Zafisaona Gabriel (rahalahin’ny Pr Rabesa Zafera Antoine, filohan’ny oniversiten’i Mahajanga ankehitriny), sy ny tompon’andraikitry ny famoaham-bola ao amin’ity hopitaly ity no miara-manao sonia izany ny 24 desambra 2010. Ny Pr Zafisaona Gabriel marihina ihany no nasolo ny Pr Ralison Andrianaivo hitantana ny hopitaly tao Androva rehefa nijoro izao Fahefana avon’ny tetezamita izao. Raha milaza ny FAT fa politikan’ny fitsitsiana no ataon’izy ireo dia asa raha manamarina izany izao ny zava-misy any Mahajanga izao. Ankoatra ity resa-bola ity dia maro koa ny fitarainana re ao amin’ity hopitaly ao Androva ity mahakasika indrindra ny fitantanana mpiasa sy ny fifandraisana amin’ny ankapobeny.

Rakoto Maxime
 
Sary : Taratasy mirakitra ny fitsinjaram-bola ao amin’ny CHU Androva Mahajanga

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT