Nanao ny fivoriambeny ny teo anivon’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty Malagasy ny alakamisy sy ny zoma teo. Nandritra ity fihaonambe ity no nandinihan’izy ireo ny zava-misy manodidina ny asan’izy ireo, sy nifidianana ihany koa izay birao vaovao hitarika ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty Malagasy.
Raha tamin’ity farany dia anisan’ny kandida nirotsaka hofidiana ny Me Rasamimaka Mahefalahy avy ao Toamasina, izay notohanan’ireo vadintany sy mpanao lavanty maro miasa eny anivon’ny fari-piadidian’ny fitsarana ambony isam-paritra. Tao anatin’ny fihodinana faharoa anefa vao afaka namaritra izay ho filohan’ny holafiny ireto vadintany sy ny mpanao lavanty Malagasy ireto ka voafidy ara-dalàna tamin’ny isam-bato 70 tamin’ireo mpifidy miisa 105 ny Me Rasamimaka Mahefalahy, nahazo vato 32 kosa ny mpifaninana taminy ny Me Baholiariniony Annie Sylvie nandritra izany. Manantena ainga vao momba ny asan’ny vadintany sy mpanao lavanty izy ireo amin’izao nahazo filoha vaovao izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.