Actualités

Ho avy Ravalomanana Feno «graffitis» indray ny tanŕna


  • Alakamisy 17 Febroary 2011


Feno kisoratsoratra amin’ny loko mainty ny tambohon’ny Lycée technique professionnel etsy Mahamasina, amin’iny lalana mihazo an’Ankadilalana iny, hatry ny omaly. Ravalo=Ben Ali, Ravalo=Mobarak ... no miharihary eny an-toerana. Tsy ho 4’Mi aloha no nanoratra azy raha ny fandinihana azy fa olona nirahina manokana ary nandia fianarana. Fa raha hafatra no tian’izy ireo hampitaina, dia tsy nanao afa tsy ny mametraka an’Atoa Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena ny votoatin’ireo soratra ireo.

Raha natao hampitandremana ny mpanara-dia ity filoha voafidim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika ny taona 2006 ity, ary sesitany tany Afrika Atsimo, indray kosa no tian’ny mpanao azy sy ny nampanao azy hahatongavana dia vao mainka miampanga tena izy ireo, satria mibaribary amin’ireny “graffitis” ireny fa izy ireo mihitsy izany no mpampihorohoro sy mpanakorontana eto.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT