Actualités

HJRA Lasa manafim-baovao


  • Talata 15 Febroary 2011

Nanomboka ny voalohan’ny taona teo no tsy azon’ny mpanao gazety hivezivezena intsony ao amin’ny HJRA izay anisan’ny loharanom-baovao matetika.

Tsy afaka mahazo vaovao intsony raha tsy mahazo alalana any amin’ny “Direction”. Izay hatrany no miverimberina isaky ny manao ny asany ny mpanao gazety. Rehefa nohadihadiana dia niainga tamin’ny olana anatiny no nahatonga izany. Nisy dokotera iray izay nilaza tamin’ny voalohan’ny taona fa tsy ampy ny mpitsabo mpanampy eo anivon’ny HJRA ka lasa nanavesatra ny asa nandritry ny faran’ny taona izany. Dia novoizin’ny gazety arak’izay ny vaovao kinanjo tsy nahafaly ny lehibe tao amin’ny hopitaly sy ny ministera. Nanomboka teo dia nisy “note de service” fa tsy mahazo maka vaovao intsony na koa tsy mahazo miresaka amin’ny mpanao gazety intsony ny

mpitsabo. Ny tokony ho fantatr’izay tompon’andraikitra izay nanao io “note de service” io dia ny hoe tsy ho an’ny mpanao gazety akory ny vaovao fa ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy izay manan-jo hahalala ny zava-misy sao mba havany no niharam-boina. Ny tsy fanomezana vaovao toy izao izany dia midika fa manafim-baovao ny HJRA na koa hoe manafina ny ratsy…

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT