Actualités

Hetsiky ny sendika etsy sy eroa Misy olona manohana ao an-damosina ?


  • Zoma 06 Jolay 2018

Mitohy hatrany ny hetsiky sy ny fitakian’ireo sendika maro manerana ny Nosy. Tsy misy valiny mahafa-po mihitsy azonay, hoy ireo avy ao amin’ny sendikan’ny fadin-tseranana sy ny hetra.

Ny sendikan’ny MPTDN moa dia milaza fa tsy hiasa mihitsy raha tsy miala ny minisitra Maharante. Ankoatra izay, mainka mamaivay hatrany ny an’ny sendikan’ny mpampianatra mahatonga ireo ankizy tsy mianatra hatreto. Amin’izao fotoana izao aza moa dia namondrona ny heriny izy ireo ny amin’ny nanaovana ny diabe niarahana ao anatin’ny fikambanamben’ny sendika SSM tetsy Ambohijatovo. Etsy an-daniny, mandeha be ny feo ary tena mahoraka fa misy olona manohana ao an-damosin’ireto sendika ireto. Ambara fa kandida handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izy io. Tsy mbola nanao fanambarana ofisialy ny amin’ny filatsahan-kofidina io olona io fa ampoizina ny hiaviny aoriana kely ao. Tsikaritra ihany koa fa tsy ireo filoha efa nitondra firenena ary tsy tanatin’ny antoko politika malaza misy eto an-tanàna ity olona lazaina fa ao andamosin’ny sendika ity. Voasokajy tanteraka ho olom-baovao izy ary iandrasana ny fotoana hahatanteraka izany.

Tsiry

     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT