Actualités

Hetsika faran`ny herinandro


  • Zoma 25 Mey 2018

Manan-danja eran`izao tontolo izao efa hatramin`ny ela ny fankalazana ny fetin`ny reny ka rariny loatra raha mitobaka ny hetsika etsy sy eroa


Zoma 25 mey
Mode, beauté et bien-être:

Nanomboka omaly etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny andiany voalohany ary tsy hifarana raha tsy sabotsy 26 mey. Hetsika ara-barotra ahitana sehatra isan-karazany izy io, indrindra ireo kojakoja sy lamaody azo atao fanomezana ho an`ny rehetra amin`ny alahady ho avy izao. Anisan’izany ny filatroana sy fampisehoana maro karazana ankoatra ireo tranoheva samihafa misokatra ho an’ny mpitsidika tsirairay. Ho hitantsika eny amin`ny Box 35 ny Jejoo izay hanoro torohevitra eo amin`ny resaka amin`ny fikarakarana endrika amam-bika.

La grande braderie de Madagascar

Mbola mitohy hatrany ny hetsika  natokana ho an`ny reny izay tsy hifarana raha tsy amin`ny alahady ho avy izao ary hahitana tranoheva maherin`ny 280 isa ka anisan`ny tena misongadina sy betsaka indrindra ny kojakoja ho an`ny vehivavy amin`izao fankalazana ny fetin`ny reny izao. Tsy latsa-danja amin`izany ireo karazana kojakojan-dakozia maro samihafa. Vonona hatrany ireo tranoheva rehetra hanome fahafaham-po ny mpanjifa na dia misy amin`ireo mpandray anjara hatramin`izay aza no tsy afaka mandray anjara noho ireo entany mihitsoka ao amin`ny seranan-tsambon`i Toamasina.

 
Romantic Night

Feo sy endrika vaovao andrasan`ny maro etsy amin’ny Hotel Tamboho Tana Water Front i Miangaly Narimanana, anio manomboka amin’ny fito ora sy sasany hariva. Tsy ho diso fanantenana, araka izany, ireo mpankafy ny sangan’asan’ity mpanakanto vao misongadina ity izay mivoy ny « classique », indrindra ireo mpiangaly gitara. Marihana fa efa ny taona 2014 no nivoaka ny rakikirany voalohany izay mitondra ny lohateny hoe « Ara Dia Alma »

Sabotsy 26 mey

Tamaga Best Swag

Ao amin’ny Night Club Pattaya Toamasina  no hifamotoana ny mpankafy an`i One Lio. Ho vahiny manokana i Ghalli, Giresse, SQWAMBA City Gang. Hanomboka amin’ny roa ora sy sasany ny fotoana.

Mozika malagasy sy amerikanina

Hahazo tombony manokana ireo mpankafy mozika klasika sy ireo maniry hahay an`ity karazan-kira ity. Miompana indrindra amin`ny mozika klasika ny Fihaonana “ara-mozika” etsy amin`ny CCI Ivato manomboka amin`ny 3ora sy sasany tolakandro. Haneho ny talentany ny Jejy Mozika ary ho vahiny manokana i Bekoto ao amin`ny tarika Mahaleo. 

Alahady 27 mey

Fetin`ny Maman`ty

Samy hiezaka hanome izay kanto indrindra ireo mpanao hatsikana hilahatra ao amin`ny hetsika “Fetin`ny Maman`ty” etsy Coliseum Atsonjombe. Horefesina amin’ny kakakaka ny ao anatin’ny kianja amin`io andro io ny hatsikana hataon’i Francis Turbo, Fou Hehy, Gothlieb, Barhone…  Mazava loatra fa hitana ny tsiky sy tokelaky ny mpijery hatramin’ny farany izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT