Naiditra am-ponja vonjimaika omaly hariva ny 4 amin’ireo mpitarika grevy sy mpanao barazy eny amin’ny lalana mankany Mandena misy ny ozinina noho ny fitoriana nataon'i QMM mivantana teny amin'ny manampahefana.
Miseho hatrany ny antsojay ataona vondron’olona sasany amin’ny orinasa QMM any Tolagnaro. Maneho ny alahelony sy ny hatezerany noho ny tranga miverimberina tato ho ato amin’ny fitakiana izay hataon’olona izay efa nahazo ny tambiny ho azy eo amin’ny lalana tsotra sy ny lalam-pirenena ka manakana ny mpiara-miombon’antoka maro, ka izay no nahatonga ny orinasa hametraka fitoriana amin’izay. Miteraka sakana amin’ny famokarana sy amin’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny ny hetsika tsy fanarahan-dalàna, raha ny fanambarana mivoaka. Eo anatrehan’izay ny mpiara-miombon’antoka amin’ny QMM dia hanao hetsika ho fampahafantarana ny andraikitra sahaniny sy ny tombontsoa azo amin’ny fisian’io orinasa io na teo amin’ny famoronana asa na teo amin’ny fampivoarana ny faritra sy ho an’ireo izay mpisitraka na mivantana na an-kolaka. Mahatratra hatrany amin’ny 2500 ireo fianakaviana misitraka mivantana na an-kolaka tombontsoa avy amin’ny orinasa no tandindonin-doza. Noho ny fanaraham-penitra hataon’ny orinasa QMM anefa, ny hetsika toy izao izay hataon’ny mponina dia mitaky fampijanonana ny famokarana avy hatrany. Miantraika amin’ny mpiara-miombon’antoka izany. Raha misesisesy dia mitarika fatiantoka izay mety hahatonga hatramin’ny fikatonan’ny orinasa QMM ahiana hiteraka olana goavana ho an’ny faritra Anosy iray manontolo toy ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano ary fiverenana indray amin’ny delestazy, ny fahaverezan’asa ho an’ireo tanora sy mpiasa izay nisitraka izany tao anatin’ny 30 taona izao, ny fahatapahan’ny fianarana amin’ireo zaza saro-pivelomana izay misitraka vatsim-pianarana .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.