Actualités

Hetra azo avy amin’ny sigara 376 miliara ariary tamin’ny taona 2017


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Na dia maro aza ny fanambarana ny amin’ny haratsian’ny fifohana sigara sy ny voka-dratsy mety hoentiny amin’ny fahasalamana dia tsy azo ihodivirana ny vola ampidiriny amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

 Hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana ( Droit d’Accise) no alaina amin’ny sigara ary ny hetra azo avy aminy no ambony indrindra ao. Manome 17% amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny Droit d’Accise  ka ny 57%, izany hoe mihoatra ny antsasany dia avy amin’ny sigara avokoa. 376 miliara d’Ariary ny hetra nampidiriny tamin’ny taona 2017 tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Na misy aza ireny fanehoana an-tsary sy an-tsoratra amin’ny fonon-tsigara ireny dia tena mifoka sy manjifa ny Malagasy ary tena mampidibola be amin’ny fanjakana. Misy amin’ireo mpivarotra enta-madinika aza no mahalafo manodidina ny 12 hatramin’ny 20 fonosana isan’andro. Iaraha-mahita ihany koa anefa ny fisondrotam-bidin’ny sigara tao anatin’ny 10 taona farany. Vao tamin’ny 2014 no nisondrotra 50 Ar ny sigara marika Good Look. raha 150 Ar ny vidiny dia lasa 200 Ariary. Izany hoe 4000 Ar ny 20 isa kanefa manodidina ny 2500 Ar hatramin’ny 3000Ar tamin’ny taona 2014.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT