Anio maraina amin’ny 8 ora no hantsoina hatao fanadihadiana eny amin’ny Toby Ratsimandrava i Hery Rasoamaromaka na Hery Be, sekretera nasionalin’ny antoko TGV Analamanga, anisan’ireo mafana fo amin’ny fanohanana ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana.
Izany dia taorian’ny fitoriana napetraky ny senatera Rakotovazaha Olivier momba azy sy solombavambahoaka vitsivitsy. Filam-baniny ara-politika no handikan’ny maro ny zava-miseho ary mazava ho azy fa tadiavina ny fomba rehetra izay hampitahorana ny lohandohan’ny mpisorona mba hampalemy ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Mipetraka kosa ny fanontaniana ny momba ilay famoahana basy nataon’ny filohan’ny fikambanana Zah Gasy ary koa ny resaka mandeha momba ny fizaram-bola nataony tamin’ny milisy. Tsy mba misy fampiantsoana eny amin’ny zandary ve ireny ? Nahoana no tsy misy tohiny koa ny raharaha kolikoly sy fizaram-bola maha voarohirohy ireo depiote HVM ? Ny fitarihana olona nitora-bato ny Bianco nataon’ny senatera Riana Andriamandavy VII ? Sa ve rehefa olona tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana dia horohoroina ara-tsaina mba hangina sy hilefitra ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.