Hentitra ary hita tena nasiaka mihitsy ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Toamasina ary nampitandrina ireo mpampianatra mitokona, hoy indrindra izy. “Aza saziana noho ny fitivan-tenanareo mpampianatra ny mpianatra Malagasy.
Raha misy ny olana dia mifampiresaha an-databatra boribory fa tsy azo ekena intsony izao fitokonana lavareny tsy mifarana izao na efa nampiseho ezaka aza ny fanjakana”. Fanambarana efa nampoizina ihany taorian’ilay fehin-kevitra nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo nanomezan’ny filoham-pirenena baiko ny governemanta ny ampitsaharana amin’izay ny fitokonana etsy sy eroa. Tetsy an-kilan’izay dia nasiaka be ihany koa ny praiminisitra raha namory ireo tompon’andraikitra samy hafa tany an-toerana, ka nilazany mahitsy fa “handray fepetra henjana ny fanjakana manomboka izao fa tsy azo ekena ny fitokonana lavareny satria mila fitoniana ny firenena mba hirosoana amin’ny fifidianana ”. Tao anatin’izay anefa dia nampiseho ny firaisankinany koa ireo mpampianatra eo anivon’ny Sempana eto Toamasina, ka tsy nisy namonjy ny fitokanana niseho tao Ankirihiry ity fa naleon’izy ireo nanao akanjo mainty nitokona teo anoloan’ny tale ny fanabeazana atsinanana eto nampisehoan’izy ireo ny tsy fahafalian’izy ireo sy ny fitakian’izy ireo mba hiverenan’ny fampianarana. Notokanana ny sabotsy lasa teo tany Toamasina moa ny EPP Todivelona Raphael Ankirihiry, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana Japoney no nahafahana nanangana ny efitrano vaovao. Mitentim-bidy 19 miliara ariary ny sandan’ny fanamboarana, ary fotodrafitrasa manara-penitra tsara satria mahazaka rivodoza sy horohorontany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.