Ny fametraham-pialany no vita fa izy tsy voatery handao ny lapa, izay sady toeram-ponenany miaraka amin’ny vava.
Didim-panjakana no mamaritra ny zo sitrahan’ny olom-panjakana ambony toy ny lehiben’ny andrimpanjakana sy minisitra mpikambana ao anaty governemanta. Filoham-pirenena teo aloha indray izao no sata vaovao entin’i Hery Rajaonarimampianina taorian’ny fametraham-pialana tsy maintsy nataony ny 7 septambra 2018, noho izy kandida ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Manan-jo hisitraka ny trano mandritra ny enim-bolana izy, ankoatra ireo tombontsoa samihafa fanome ny filoham-panjakana teo aloha. Anisan’ireo tombontsoa sitrahany, omen’ny fanjakana malagasy azy, ny fanomezana azy miaramila mpiambina miisa valo, mpitantsoratra, “Aide de camp”… karama 10 tapitrisa Ariary. Tsy ho azon’i Hery Rajaonarimampianina ampiasaina amin’ny fikarakarana ny fiatrehany fifidianana sy ny fampielezan-keviny kosa anefa ny Lapam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.