Mankalaza ny faha-57 taona niorenany ny hery ana habakabaka amin’ity taona 2018 ity. Amin’izany indrindra ny nanokanana ny lohahevitra hoe “ny fampivoarana ny hery ana habakabaka fanamby iray ho fampandrosoana an’i Madagasikara”.
Nisy ny fanatsarana teny amin’ny foiben-toeran’ny fibaikoana ny hery ana habakabaka eny anosy. Anisan’izany ny fametrahana ny fiaramanidina izay tsangambato fanamarihana fa eo ny foibe itoeran’ny hery ana habakabaka. Ankoatra izay, nisy ny fametrahana ny efitrano manankaja fandraisam-bahiny sy fanaovana fikaonan-doha. Eo ihany koa ny efitrano fianarana ny teny vahiny ho fifehezana ny teny Malagasy sy ny teny vahiny. Izany rehetra izany no atao mba ho fampitaovana manaraka ny toetrandro mba hisy ny vokatra tsaratsara kokoa ho an’ny malagasy indrindra ny amin’ny lafiny fandriampahalemana. Omaly alakamisy moa no nanokanana ireo tsangambato sy efitrano ireo ary tonga nanokana izany ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.