Hisy ny fampianarana maimaimpoana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny lycée
Nosokafana omaly tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny Ivontoerana kolontsaina Malagasy etsy Antsahavola ny herinandron’ny valiha. Hetsika natao indrindra hampahafantarana ireo karazana kolontsaina malagasy sy ny manodidina azy io ka anisan’ireny ny fivoaran’ny asa fanamboarana valiha teto amintsika izay
nanomboka tamin’ny valiha diatonique raha efa any amin’ny valiha chromatique kosa ankehitriny. Fampirantiana ireo karazana valiha misy eto amintsika narahina fampisehoana amin’ny fahaizana milalao ity karazan-java-maneno ity no nanokafana ny hetsika omaly, niarahana tamin’i Jean Bà, Ratovo, Ranaivo izay tsy zoviana amin’ny maro intsony. Hitohy amin’ny fampianarana maimaimpoana ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny lycée kosa izany anio ka anisan’ny hisantarana azy ny etsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely. Hitohy etsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha izany rahampitso alakamisy raha handalo eny Ankatso kosa ny zoma. Fampahafantarana ny momba ny valiha arahina famelabelaran-kevitra hiarahana amin-dRamatoa Mireille Rakotomalala no tena hisongadina ho an’ireo mpianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga ambony raha eny amin’ny AFT Andavamamba kosa no hamaranana izany ny sabotsy ho avy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.