Actualités

Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza Navitrika ny tany Alaotra


  • Alarobia 14 Mey 2014

Nirodorodo namonjy ny fankalazana ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza tao amin’ny Kaominina Ambandrika ireo renim-pianakaviana tao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka.

 Ireo renim-pianakaviana manan-janaka latsaky ny roa taona no hita ho nanana fahavitrihana tamin’ity andiany faha-16 ity. “Ilay fanaovana vaksiny fanefitry ny aretim-pivalanana no tena nandrisika anay hitondra ny zanakay amin’izao hetsika izao”, hoy ny renim-pianakaviana avy ao amin’ny Fokotany Betoloha. Fanadihadiana no nahafantarana fa anisan’ireo mbola maha betsaka ny ankizy maty aloha ny fahadimy taonany ny aretim-pivalanana ankoatra ny tsy fahatombanana ara-tsakafo. Antenaina fa hisy akony tsara eo amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza any Alaotra ny fahavitana ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza farany teo. Nitondra fanentanana ho an’ny reny rehetra ao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro ny lehiben’ny Faritra Ramandehamanana Richard izay namaritra ny maha zava-dehibe ny fanaovana vaksiny ny ankizy sy ny fanatonana tobim-pahasalamana raha sendra misy tsy metimety ny toe-pahasalamana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT