Actualités

Hasarotam-piaro tafahoatra Nofirafirainy antsibe ny vadiny


  • Zoma 13 Janoary 2023

Ny 23 desambra 2022, tokony ho tamin'ny 8 ora alina, rehefa tsy faly tamin'ny vadiny noho ny resaka hasarotam-piaro tafahoatra I Randriamamonjy Fidelis na Mamonjy,

31 taona, mpamboly, monina ao Soarivo, kaominin'Ankotrofotsy, distrikan'i Miandrivazo dia nofitahiny io vadiny io mba handeha hanatitra azy handro. Rehefa tonga tany anefa, nofirafirainy tamin'ny antsibe tsy nananany antra mihitsy ravehivavy, hoy ny fampitam-baovao voaray. Na nandositra aza i Mamonjy taorian'izay dia voasambotra tao an-tranon-drainy izay monina ao Antsoha ny 24 desambra 2022. Mbola manaraka fitsabona ao amin'ny tobim-pahasalamana eto Ambatolahy ilay ramatoa, amin'izao fotoana izao. Mamonjy kosa efa notazonina am-ponja vonjimaika ao Miandrivazo, raha ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny borigadin’ny zandarimaria ao Ambatolahy hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT