Actualités

Hanamorana ny afera maloto Lasa bizina ny fikatsaham-pahefana


  • Zoma 20 Jolay 2018

Ny mpanao politika sasany eto amintsika dia maro ny nanana olana ara-pitsarana noho ny afera maloto na koa tratry ny olana ara-piarahamonina tsotr’izao, dia ny fahefana am-pelatanana no hezahina fikirina hiarovan-tena.

 Eo ihany koa ny fiarovana ny bizina sy ny afera hahafahana mampandeha sy mampitombo ny ambaindainy, ka efa miditra lalina amin’io ny mpandraharaha sasany. Azo hitarafana izany ny olona manodidina sy nanolo-tsaina an-dRajaonarimampianina, raha tsy hilaza afa tsy ry Claudine Razaimamonjy, Nicole Randrianarison,... izay be afera tokoa. Rehefa eo amin’ny fitondrana ny mpitondra, dia mitombo ireo olom-pantatra matanjaka, indrindra fa avy any ivelany ka dia tamana sy te hanohy ny afera. Raha dinihina amin’ny fihetsik’i Hery Rajaonarimampianina, dia mitady izay hiantsampazana mbola hanohana na mba manao pi-maso amin’izay hitodihana rehefa rendrika ny sambo HVM, ka tsy hiverina amin’ny fitondrana. Raha ireo vao hirotsaka indray, dia misy ireo mba mahitahita lalana avy any ivelany, tsy nahalala firy akory an’i Madagasikara aza ny sasany, saingy mba mety nahita lalam-bola sy mpanosika dia mirotsaka. Efa karazana lamaody rahateo ny filalaovana ilay hoe: izao kandidan’ny firenena izatsy na izaroa, ary ny ankamaroany dia mitady hirika mafy ny hanosehan’ny sehatra iraisam-pirenena azy ho lasa filoha. Mamaly babena ny vahiny no anton-draharaha avy eo satria tsy hisy zavatra azo maimaimpoana izany, ary dia miara-mibizina avy eo. Firy isan-jato amin’ireo milaza ho kandida izany no mba tena mametraka ho voalohany indrindra ny hampandroso firenena sy hanasoa vahoaka ? Ny asa vita no hifampitsarana e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT