Tambajotrana jiolahy no ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobin-janaparitra Morarano Chrome ny herinandro lasa teo. Dimy lahy izy ireo no miaraka manao ny asa ratsy izay mampiasa fitaovam-piadiana toy ny basy MAS36 sy Pistolet
anankiroa ka ny iray amin’ireo dia vita gasy izay niaraka tamin’ny bala miisa valo. Manao fanamiana mpitandro ny filaminana izy ireo amin’izany. Avy nandroba vato sarobidy tao Belavabary-Brieville izy ireo no nifanehitra tamin’ny mpitandro ny filaminana. Fantatra fa mampiasa fiara tsy mataho-dalana izy ireo rehefa hanao ratsy. Misy mpitandro ny filaminana roa miray tsikombakomba amin’ireto jiolahy ireto ka naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka. Ilay fiara nampiasaina kosa dia nogiazana ao amin’ny kaompania zandarimariam-pirenena Ambatondrazaka.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.