Actualités

Halatra sonia Mampigadra enim-bola ka hatramin’ny roa taona


  • Sabotsy 23 Jona 2018

. Mafana tokoa ny fiainam-pirenena sy ny paikady politika ankehitriny hany ka misy hatramin’ny fanaparitahana kisarisarina fifanarahana politika miaraka amin’ny sonia hosoka.

 

Voakasika manokana tamin’izany moa ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha ny nambaran`ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza, dia afaka henjehina soa aman-tsara amin`ny resaka fanalam-baraka izay olona namoaka iny anton-taratasy hosoka iny. Raha zavatra ngeza be toa ity fifanarahana politika hosoka ity dia voasokajy ho fanaparitahana vaovao tsy marina ary heloka be vava tsy azo leferina. Raha ao amin`ny fehezan-dalàna fahamaizana na « code penale » dia “faux et usage de faux » no ilazana azy. Ny sazy ho an`ny halatra sonia an`olona dia mety mampigadra enim-bolana hatramin`ny roa taona. Miankina amin`ny vesatry ny raharaha fa mampigadra hatramin`ny dimy taona mihitsy izany hoy hatrany ny fanazavana.  Ny lalàna momba ny « cybercriminalite », izay nivoaka ny taona 2016,  natao arofanina ho an’ny fiarahamonina. Ny « cybercriminalité »dia heloka hafa nataon` olon-tsotra amin`ny tambazotran-tserasera.Raha hiverenana kosa ny hosoka nisy tamin`io hoe fifanarahana politika io ka nahitana sonia ana olona ambony miisa roa niampy soniana dipalomaty vahiny iray, dia tena zava-doza eo amin`ny sehatry ny diplomasia ka mety hiteraka ny antsoina hoe : « incident diplomatique » mihitsy. Saingy eto Madagasikara moa, toa vitavita ho azy izany ny fandikan-dalàna ary mitarazooka be foana ny fandraisana andraikitra ho famaizana ireo meloka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT