Ny zoma 06 febroary no fantatra fa misy sambo avy any ampitan-dranomasina no mampidina solika an-tsokosoko teny afovoan-drano ka sambo haingam-pandeha iray no mitatitra ireo solika teny amin’ny pont Fitim Antanimasaja
. Nidina teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy ka tena nisy tokoa io halatra solika an-tsokosoko io. Olona 6 no voasambotry ny zandary ka ny talata 10 febroary no natolotra ny fampanoavana izy ireo. Barika miisa 102 misy gazoala ary barika miisa efatra misy lasantsy no tratra niaraka tamin’ireo olona izay saika hivarotra an-tsokosoko tao Mahajanga. Naiditra am-ponja vonjimaika ireo 6 voasambotra ireo ary miandry ny fitsarana azy. Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ity halatra ity satria dia tsy ara-dalàna ny momba azy ireo. Miandry ny fanapahan-kevitra ny fitsarana ny fahazoana mampiasa ireo solika ireo ary voalaza hatrany fa mety hatolotra ny sampandraharaha misahana ny solika ireo solika halatra ireo. Mihetsika mandray ny andraikiny ireo zandary ny amin’ny fiarovana ny sisin-tany Madagasikara ka porofo izany izao fahatrarana solika izay saika amidy an-tsokosoko tao Mahajanga izao.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.