Isan’ny toerana mena amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery ny ao amin’ny “gare routiere” Toamasina. Tovolahy manodidina ny 17 hatramin’ny 23 taona mandeha amin’ny andiany 03 na 04 no tena mpanao izany. Ny alahady teo raha hody avy niasa alina ity tovolahy iray nitondra ny moto scooter ka nandalo teo amin’ny “avenue gare routiere” iny tokony tamin’ny 10ora alina,
dia avy hatrany dia nodarohan’ireto andiana tovolahy telo 21 hatramin’ny 23 taona ireto ny tavoahangy, nianjera izy vokatra izany ka lasan’ireto jiolahy ny moto-ny. Nisy avy hatrany ny fiantsoany polisy ka raikitra ny fanaraha-maso; ka tratra tsy lavitra ny “gare routiere” ihany ireto tovolahy 03 mbola niaraka tamin’ilay moto. Ankilan’izay, dia mpivarotra rongony 04 mianadahy ihany koa no saron’ny polisy tao Ambolomadinika ny sabotsy tokony tamin’ny 10ora. Rangahy iray 46 taona nitondra sakosy nampihaihay no nisavaina ka nahatrarana rongony 500g. Nihitatra ny fisavana ka nahatrana tovolahy 23 taona nahitana rongony 500g ihany koa sy ity ramatoa 46 taona “mpamongady” ity rongony nahatrarana 05kgs ary tovolahy iray 28 taona nahitana 250g. Samy miandry fitsarana am-ponja avokoa ireo olona rehetra ireo, na ireo 03 lahy nangalatra scooter, na ireto 04 mianadahy mpivarotra sy “mpamongady” rongony, raha niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana omaly tolakandro…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.