Actualités

Halatra fiara Misy mpanao gazety voarohirohy


  • Talata 14 Desambra 2010

Roa volana izay no nisy nanafika ny fiarana mpanao gazety mpivoaka isan’andro eto an-drenivohitra izay nitondra ny mpiasa alina.

Nambanana basy ireo mpiasa an-gazety tao anaty fiara ary nalaina ilay mazda izay tsy hita nanomboka teo ny nanjavonany. Afak’omaly dia nanomboka tsy hita i R.T ary maty rahateo ny findainy. Tsy nisy nahalala izay misy azy mihitsy na ny fianakaviany na ny mpiara-miasa aminy. Fantatra anefa fa notazomina teny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava ny tenany omaly ary nohenoina momba io resaka fiara very io. Voalaza fa tao anatin’ilay fiara izy tamin’ny fotoana namelaran’ny zandary ny fandrika. Omaly indray anefa dia nolazaina fa notazomina izy mba hatao vavolombelona fotsiny ihany ( ?!). Ny zava-nisy aloha dia nisy ny fisamborana azy sy ny mpiara-miasa aminy roa.

Mpanao gazety akaikin’ny FAT i R.T ary nanenjika hatrany ny olona akaiky ny Filoha Ravalomanana ao anaty lahatsorany. Izao anefa dia voatana eny amin’ny zandary izy ary voarohirohy amina halatra fiara. Asa raha mba handeha amin’ny tokony ho izy ny fanadihadian’ny zandary na koa misy indray ny tsindry bokotra avy any ambony ka handeha ho azy amin’izao ny raharaha. Ho hita eo ny fangaraharan’ny fiasan’ny mpitandro ny filaminana satria heloka bevava ity raharaha ity : fanafihana mitam-basy, firaisana tsikombakomba amin’ny halatra ary fikasana hivarotra fiara halatra… 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT