Actualités

Halatra fiara Mazda very teny Tsiadana, hita teny Ampasika


  • Alarobia 14 Mey 2014

Nisy olona nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahatelo etsy Anosy ny 12 mey 2014 maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany fa nisy nangalatra ny fiarany «mini-bus» Mazda teny Tsiadana.

 Ny marainan’io andro io ihany tokony tamin’ny 4 ora sy sasany no nisy nangalatra ity fiara ity rehefa mipetraka teo amin’ny toerany isan’andro. Marihana fa fiara manao fitaterana amin’ny zotra mampitohy an’Antsohihy sy Antananarivo ity very nisy nangalatra ity. Rehefa nanao ny fikarohana ny Polisy dia nahazo antso fa eny amin’ny faritra Ampasika eny ilay fiara. Nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana io andron’ny 12 mey io ihany ka dia tra-tehaka teny ilay fiara tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro.

Rehefa nanatona ilay fiara ny polisy dia lehilahy miisa roa no tazana tao anaty fiara teo am-panaovana solika, rehefa nahita izany ilay saofera dia nitsoaka avy hatrany ka dia raikitra ny fanenjehana azy saingy tafaporitsaka izy ka ilay mpanampy azy no tratra tao anaty fiara. Tamin’ny fanadihadiana dia Antoine na koa hoe Tonny ilay jiolahy tafatsoaka izay tompon’antoka tamin’ity halatra ity ka mbola eo am-pikarohana azy ny polisy. Tamin’ny fanadihadiana iIay voasambotra dia nilaza izy fa teny Analakely no nifankahitan’izy sy Tonny hoe handeha hitatitra olona hankany Morondava. Ka nankeny amin’ny Fasan’ny Karana izy ireo ary naka solika teny Ampasika izao izy tratra izao. Efa nalain’ny tompony ilay fiara. Hatolotra ny fitsarana anio ny raharaha.

Teo am-panaovana solika no saron’ny mpitandro ny filaminana ity fiara ity sy ny mpangalatra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT